Tongasoa eto amin'ny tranokala ofisialy ny PRRC
FR MG EN
☀️
PRRC

Ireo mpisitraka ny tetikasa

Ny PRRC dia mikendry ny hanatsara ny fiainan’ireo mponina eny amin’ireo faritra tena iharan’ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro. Amin’ny alalan’ny fitantanana ny loza, ny fananganana fotodrafitrasa ary ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina, mba hanatsarana ny fari-piainana sy hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra.

👥 Ireo mpisitraka ny tetikasa

🌍 Ireo mpisitraka mivantana (PRRC)

📍 Mponina ao amin’ireo faritra 11 iasan’ny tetikasa
⚠️ Vondrom-piarahamonina iharan’ny hain-tany, rivo-doza ary tondra-drano
🏛️ Sampandraharaha nasionaly (BNGRC, DGM, APIPA…)
📡 Sampandraharaha hydrométéorolojika sy rafitra fampitandremana mialoha
🏙️ Tanàna iharan’ny loza (fampihenana ny tondra-drano : Toamasina, Mahajanga)

🏗️ HAVELO Mandrare

⭐ Tetikasa fotodrafitrasa lehibe ho an’ny Faritra Atsimo
500 000
olona hisitraka rano fisotro madio
(Amboasary Atsimo sy Ambovombe)
🌱 Fanondrahana velaran-tany fambolena 16 000 ha
🚜 Tantsaha hisitraka fiofanana sy fanohanana ara-pambolena
🛣️ Mponina hisitraka ny lalana Amboasary – Tsivory (RIP107) sy ny RN13
✈️ Mpampiasa ny seranam-piaramanidina Tsivory 
🏗️ Mponina eny an-toerana amin’ireo asa fanorenana (lalana, tohodrano ary fotodrafitrasa)
📄 Mponina hisitraka ny fananan-tany voaaro ara-dalàna (fanamarinana sy titra)
🐄 Mpiompy hisitraka rano ho an’ny fiompiana
📡 Vondrom-piarahamonina ambanivohitra hisitraka fotodrafitrasa sy sampandraharaha fototra (rano, angovo, tolotra)

🚀 Vokatra maharitra andrasana

💧 Fahazoana rano fisotro madio maharitra
🌾 Fampiroboroboana ny fambolena 
📈 Fandrosoana ara-toekarena ny Faritra Atsimo
← Retour à l'accueil