06 Jona 2026 | Fort-Dauphin
HAVELO Mandrare : fanolorana amin’ny fomba ofisialy fiara sy môtô ho an’ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa
Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, dia nitarika ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy fitaovam-pitaterana ho an’ny ZDS Mandrare, ny Faritra Anôsy ary ny Kaominina Mahaly, mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa HAVELO Mandrare.
Fiara 4x4 miisa 2 natolotra • Môtô miisa 6 natolotra • Rafitra mpisitraka miisa 3 • Fanohanana mivantana ny fanatanterahana ny tetikasa HAVELO Mandrare.
Ny 6 Jona 2026 tao Fort-Dauphin, Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, dia nitarika ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovam-pitaterana ho an’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa HAVELO Mandrare, ao anatin’ny Tetikasa PRRC.
Ity fanomezana ity dia maneho ny finiavan’ny Governemanta malagasy hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo rafitra miandraikitra ny fanatanterahana ity tetikasa lehibe ity, izay mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny faritra atsimo.
Fitaovana ho an’ireo mpisehatra eny an-toerana
Ireto avy ireo fitaovana natolotra :
- Fiara 4x4 iray sy môtô 3 ho an’ny ZDS Mandrare ;
- Fiara 4x4 iray ho an’ny Faritra Anôsy ;
- Môtô 3 ho an’ny Kaominina Mahaly.
Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ary ny fanohanana ireo asa tanterahina eny an-kianja, sady hanamafy ny fifandraisana akaiky amin’ireo mponina misitraka ny tetikasa.
Tetikasa lehibe ho an’ny fampandrosoana ny faritra atsimo
Ny PRRC, izay tanterahin’ny CPGU eo anivon’ny Primatiora miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena, dia mikendry ny hanamafy ny fahaiza-miatrika ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ireo mifandraika amin’ny fitantanana ny rano.
Ny tetikasa HAVELO Mandrare dia singa lehibe indrindra ao anatin’ny PRRC any amin’ny Faritra Anôsy sy Androy. Ny tanjony dia hitondra vahaolana maharitra manoloana ny tsy fahampian-drano sy ny hain-tany miverimberina izay.

